Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Besalampy: trano 300 mahery kila tanteraka

Hotohoton’ny afo avokoa ny trano maherin’ny 300 isa ao Mokaraha, fokontany Morafeno, distrikan’i Besalampy, ny antoandron’ny alakamisy teo manodidina ny tamin’ny 02 ora vokatry ny tsy fitandremana. Araka ny fantatra, olona iray handeha hisotro rano no nahita tampoka fa tavoahangy nisy lasantsy no noraisina, ka napetrany tamina toerana voalaza fa nanamorona afo izany ka  nitarika ny fahamaizana teo an-toerana. Noho ny rivotra izay nifofofofo tamin’izany dia niitatra tamin’ireo trano sy tsena vita amin’ny satrana sy bozaka teo amin’ny manodidina ny loza. Vokany, lasa lavenona avokoa ny trano sy ny entana rehetra ary namela traboina maro ny tranga. Mangataka fanampiana amin’ny fanjakana sy ny BNGRC, arak’izany izy ireo.

 

H.H

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique