Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andapa: tovovavy namonjy ny sipany hita faty

Tovovavy 17 taona no hita faty, ny marain’ny alahady teo manodidina ny tamin’ny 05 ora tao amin’ny fokontanin’Antangene-Andapa. Hita tamin’izany fa feno tsatok’antsy ny vatany, hoy ny zandary ao an-toerana. Angom-baovao no namantarana fa nivoaka ny tranon’ny fianakaviany izay niandrasany ity farany ka namonjy ny olon-tiany mipetraka ao Ankadibe taorian’ny antso voarainy ka nararaotin’ireo olon-dratsy. “Mbola tsy tonga tany amin’ny tranon’ilay olon-tiany nefa izy no nisy namono, hita faty tamina toerana mangina sy maizimaizina” hoy ny zandary misahana ny raharaha. Taorian’ny fanadihadiana natao, olona miisa efatra no alaina am-bavany amin’izao izay ahina ho nanao ny asa ratsy. Fantatra fa mbola mipetraka amin’ny ray aman-dreniny ilay tovovavy io ka rehefa hariva kosa izy no miambina ilay tranon’ny fianakaviany, izay eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao.

 

H.H

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique