Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalanomby-Farafangana: novonoin’ny jiolahy teo imason-janany ny ben’ny Tanàna

Ambalanomby-Farafangana: novonoin’ny jiolahy teo imason-janany ny ben’ny Tanàna

Vono olona feno habibiana, natao teo imason-janany, miampy halatra. Izany ny fomba mahatsiravina nanafihan’ny jiolahy ny tranon’ny ben’ny Tanàna am-perinasa ao Ambalanomby, Farafangana.

Maty tsy tra-drano nandritra ny fanafihan-jiolahy, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitr’i Antseranambe, distrikan’i Farafangana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa jiolahy nirongo basy miisa telo no nitady sy nikaroka ary namaky ny tranon’io lehilahy io tao amin’ny fokontanin’Ambalanomby tamin’izany. Rehefa voasokatr’ireo jiolahy ny varavarana, nanontanian’izy ireo ny zanany lahy, 9 taona, izay niaraka taminy tao raha niafina kosa ny rainy. « Tsy ato izy », hoy ny valin-teniny. Hitan’ireo jiolahy anefa ilay ben’ny Tanàna rehefa nokarohiny ka notifirin’ireo jiolahy avy hatrany teo imason’ilay zanany. Vokany, maty tsy tra-drano ny lehilahy ary noraofin’ireo tsy mataho-tody ny vola rehetra vao nalain’io ben’ny Tanàna io, niampy ny satroka sy ny samboady ary ny finday roa. Loharanom-baovao hafa no namantarana fa disadisam-piaraha-monina no antony namonoan’ireo mpanao ratsy io ben’ny Tanàna am-perinasa io. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny.  Nentina ao Soanerana-Antanambe kosa ny nofo mangatsiakany.

Tsy fantatra…

Mbola tsy misy ny fisamborana olona ahiahina ho nanao ny asa ratsy, hoy ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha ao an-toerana na dia eo aza ny fakana am-bavany rehetra natao. Fantatra ihany koa fa nisy fianakavian-dRatompokolahy ihany koa tao amin’ny efitrano ilany nipetrahany. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra.

 

Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique