Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Adihevitra – Kandidà A. Naina: « Aoka hanara-dalàna sy hipetraka amin’ny toerany »

Niatrika ny adihevitra nifanaovana tamin’ireo mpirotsaka hofidina ben’ny Tanàna miisa efatra mpifaninana aminy ny kandidà Andriantsitohaina Naina, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna,  Analakely. Nitondrany ny  heviny sy ny tetikasany ireo lohahevitra  maro  tamin’izany.  Mazava ny nambarany amin’ny ankapobeny.   « Aoka isika  hanara-dalàna ary hipetraka amin’ny toerany avy ny tsirairay… Ilaina  ny fanarahan-dalàna ialana amin’izao fahapotehana sy fahalotoana ary korontana samihafa eto izao… »,  hoy izy. Anisan’ny vahaolana nentiny ny fanalana ny  fako eny anivon’ny fokontany, iarahana amin’ny RF2. Homena fitaovana izy ireo ary hampitomboina  ny tambin-karamany. Hapetraka koa ny dabam-pako  madinika, mialoha ny hahatongavan’ny fako any amin’ny dabam-pako  lehibe. « Azo ampiasaina havadika angovo ho an’ny herinaratra izany… Maherin’ny 100 ireo fokontany hitako fa feno fako avokoa ny lalana sy ny lakan-drano nefa tsy hitan’ny sasany »,  hoy izy.

Drafitra ho an’ny  fitaterana sy ny fifamoivoizana

Momba ny tsena sy  ny mpivarotra kosa, nambarany fa tsy natao hakana vola  ireny sehatra  ireny. « Halamintsika  izany. Hampiana satria maro ireo mivelona amin’izany… Betsaka ireo  tsena tsy feno akory. Ampiakarina ny  tsena efa eo ary hatao “parking” ny ao ambany. Harindra sy alamina ny fivarotana… Mampilamina ny mpivarotra sy ny mpiantsena na ny fifamoivoizana ary ny sisin-dalana izany. Samy amin’ny toerany ny rehetra…”, hoy izy. Mifandraika amin’izany koa ny fifamoivoizana.  Manana vahaolana ny kandidà Andriantsitohaina Naina ka anisan’izany ny drafitry ny fitaterana. Tsy mandany  volabe  ary efa tao efa ela izany, saingy tsy nisy nampihatra… Amboarina ireny lalan-tokana ireny…  “Hampiharina ny  lalàn’ny fifamoivoizana. Hampiana ny fotodrafitrasa.  Miara-miasa fa tsy mifaninana ny  polisy kaominaly sy ny polisim-pirenena”, hoy ny kandidà laharana fahefatra.

Aoka izay ny fitiavan-tena… 

Homena “moto” izy ireo ary ampitomboina ny lamandy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ka hahazo tambiny ireo mpitandro filaminana, tsy  ho tonga amin’ny kolikoly. “Sazina na iza na iza tsy manara-dalàna..”, hoy izy  tamin’ny ampahan’ny fanehoan-keviny.

Nialoha izany, nihaona amin’ny vahoakan’ny boriborintany III, teny Ankorondrano Andranomahery ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy. Nasongadiny fa tonga ny fotoana hamerenana ny jiro,  ny filaminana, ny  fahadiovana sy hampandrosoana ny tanàna. “Aoka izay ny fitiavan-tena. Vonona isika ny hitantana. Mila fanampianareo vahoaka aho amin’izany ka tongava mifidy an’Andriantsitohaina Naina sy ireo mpanolotsaina”, hoy  izy.

Synèse R.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique