Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Open international BMOI – Madauto»: resin’ilay Frantsay i Chloé mora foana i Miora

Tenisy – «Open international BMOI – Madauto»: resin’ilay Frantsay i Chloé mora foana i Miora

 

 Miditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fiadiana ny “Open international BMOI – Madauto”, taranja tenisy. Hatreto, voahaja aloha ny lojika. Anisan’ireo manohy ny diany, ilay Frantsay, Chloé.

Tafakatra eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ilay Frantsay, Cirrote Chloé, eo amin’ny fiadiana ny “open international BMOI – Madauto”, taranja tenisy. Fihaonana, tanterahina, eny amin’ny kianja Country Club Ilafy. Tsy nahatohitra an’i Chloé, mihitsy Andrianantoandro Miora, teo amin’ny fihodinana faharoa, notanterahina, omaly alakamisy. Resiny, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1),  i Miora. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa toy ny nanao fanazarantena fotsiny, i Chloé. Ankoatra izay, manohy ny diany ihany koa i Tsantaniony, rehefa nandresy an’i Safidisoa Nomenjanahary, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (7/6 ; 6/2). Ny seta voalohany ihany ny hany niady ny lalaon’ny roa tonta. Lavon-dRavoniandro Fitia, ihany koa Rakotondramboa Fitia.

Teo amin’ny olon-tokana lehilahy indray, Lavon’i Miary Zo, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 7/6 ; 6/3), i Rado. Tsy nisy nanam-po kosa ny faharesena nahazo an-dRadison Donné, nanoloana an’i Fenosoa, tamin’ny seta, 2 no ho 1 (6/7 ; 7/6 ; 6/2). Niondrika teo anatrehan’i Ando kosa i Nicolas.

Ho an’olon-droa, resin’i Prisca sy i Safidy, i Tsanta sy i Miora (7/5 ; 3/6 ; 10/6).

 

Torcelin

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique