Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – Alefa Naina Champion: hiady volabe ny Cosfa sy ny CNaPS Sport

Hanolotra lalao rugby, fihantsiana sy ala vela, ho an’ny tontolon’Ambalambahoaka ny kandidà laharana fahefatra, Naina Andriantsitohaina, ny alahady 10 novambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, mandritra ny tontolo andro.

Anisan’izany, ny ady volabe, eo amin’ny CNaPS Sport sy ny Cosfa (Bebaoty). Hanala vela, amin’ity ny Bebaoty, izay efa resin’ny ekipan’ny trano fihariana, nandritra ny fifanintsanana  ny “Gold Top 20”. Ankoatra izay, hisy koa ny ady omby mifahy, hifanandrinan’ny TMMA Ankorondrano sy ny FVTA Anosibe ary ny XV Fa Ampasika sy ny FTA Andavamamba. Fihaonan’ny samy kartie, ireo.

Ny maraina, hanokatra ny lalao, ny fifandonan’ny FTAM Mandrangobato sy ny ASA Ambohimanarina ary ny TFA Anatihazo sy ny JSTA Ambondrona. Marihina fa hisy fampisehoana rindran-kira Rugby Vazo mangotraka, hafanain’i Jerry Marcoss sy i Chantal, miampy an’i Odyai ary i Honorat.

 

Tompondaka

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique