Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mariboninahipirenena: nankarina ho « Grand officier » i Dadah

Mariboninahipirenena: nankarina ho « Grand officier » i Dadah

Heni-kaja ny velona, heni-boninahitra ny nodimandry ! Omaly maraina, tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, nakarina ho eo amin’ny laharan’ny « Grand officier de l’ordre national Malagasy » Andrianabela Rakotobe na i Dadah tarika Mahaleo. Taorian’izay, nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny nofo mangatsiakany nialoha ny nametrahana azy tany amin’ny fasan-drazany Mandrosoa Betafo.

Na mbola tsy tena nilaza mazava ny amin’izay mety ho tohin’ny tarika Mahaleo aza i Dama sy i Bekoto ary i Charles, mitafy fahavononana hanampy azy ireo hatrany kosa ny mpitia ny kanto ka manantena ny fanohizana ny kanto nataon’ny tarika hatramin’izay.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique