Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manohana ny fitakiana ny any Toliara: mitohy ny fitokonan’ny mpampianatra eto Antananarivo  

Manohana ny fitakiana ny any Toliara: mitohy ny fitokonan’ny mpampianatra eto Antananarivo  

Taorian’ny fivoriambe nataon’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy ireo mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo (Seces), omaly teny Ankatso, nanambara indray ny filohany, Ravelonirina Sammy Grégoire, fa mitohy ny fitokonana ary mitsahatra ny asa fampianarana sy fikarohana eto Antananarivo. Vonona amin’ny fifampiresahana amin’ny tompon’andraikitra ny mpampianatra ary manana vahaolana samihafa atolotra hamahana ny olana. Tsy manaiky ny fampanantenana poakaty intsony kosa ny mpampianatra fa izay noekena tokony hotanterahina avokoa. Hatreto, tsy misy ny vahaolana azo tsapain-tanana taorian’ny dinika niaraka tamin’ny fiadidiana ny Primatiora. Manainga ny filoham-pirenena ny mpampianatra hifantina tsara ny olona apetrany hitantana ny minisitera mpiahy ny fampianarana ambony. Tokony ho olona mahay mifandray amin’ny mpiara-miasa aminy sy mahalala ny olan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha no hisahana izany andraikitra izany. Mahatsapa ny mpikambana amin’ny Seces fa tsy mandeha akory ny fitantanan-draharaha ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Porofon’izany ny fikatsoan’ny antontan-taratasy momba ny « maintien en activité » ho an’ny mpampianatra maromaro.

Hitokona koa ny Seces Toliara

Tonga eto Antananarivo ny solontenan’ny Seces any Toliara izay nilaza fa manohana ny fitakiana satria iraisana ny fangatahana rehetra. “Efa nandefa taratasy fampilazana fitokonana ko izy ireo ka hampitsahatra ny asa fampianarana sy fikarohana, manomboka amin’ny alarobia 13 novambra ho avy izao ny ao amin’ny oniversiten’i Toliara”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Seces, Ralahiavy Laurent Denis. Miandry ny ho tohin’ny raharaha ny rehetra, indrindra ny mpianatra izay nangataka ny fiverenan’ny asa fampianarana indray. Hivory ny mpampianatra mpikaroka, ny talata 12 novambra hijery ny fivoaran’ny fitakiana eto Antananarivo.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique