Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea de Madagascar sy i Etiopia: nakarina 10.000 Ar ny vidim-pidirana “gradin”

 

Hatairana ny an’ireo mpankafy baolina kitra malagasy, omaly raha nahita tao amin’ny tambajotran-tserasera, fa nakarina ho 10.000 Ar ny vidim-pidirana, ho an’ireo hijery eny amin’ny “gradin”, mandritra ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Wallia Ibex-n’i Etiopia, eo amin’ny fiadian-toerana, ho an’ny “Can 2021”.  Nisondrotra avo roa heny, tamin’ny teo aloha izany. Raha tsiahivina, dimy arivo Ar ny sarany, tamin’ny taon-dasa. Niteraka fanehoan-kevitra betsaka avy amin’ireo mpijery izany. Tao ireo nanome tsiny fa midangana tsy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy, izany. Teo kosa nefa ireo nankasitraka satria mila ferana ny olona miditra ao Mahamasina, mba tsy hisian’ny fifanosehana ka nisian’ireo olona maty, toy ny tamin’ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy i Sénégal, tamin’ny taon-dasa.

Telo alina Ar kosa ho an’ireo hipetraka eny amin’ny “tribune laterale” ary 8 alina Ar ny an’izay hamonjy ny “tribune centrale”. Tsiahivina fa hotanterahina ny asabotsy 16 novambra ho avy izao, manomboka amin’ny 4 ora folakandro, ny lalao eo amin’ny roa tonta.

 

Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique