Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà A.  Naina – Boriborintany fahadimy: «Tonga ny fotoana, aoka izay ny kolikoly, avereno ny tanin’ny CUA»

Kandidà A.  Naina – Boriborintany fahadimy: «Tonga ny fotoana, aoka izay ny kolikoly, avereno ny tanin’ny CUA»

Andro fahatelo ho an’ny fampielezan-kevitra, omaly ho an’ny kandidàn’ny  IRK, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ireo fokontany notsidihiny sy nitafany mivantana tamin’ny vahoaka  ny tetsy Andraisoro, Ampandrianomby ary Tsarahonenana. Hentitra ny kandidà laharana fahefatra tamin’ny lahateniny.  “Tonga ny fotoana, aoka izay ny kolikoly, avereno ny tanin’ny kaominina”, hoy izy.  Nanteriny tamin’izany fa tonga izy hitondra hazavana, filaminana, fahadiovana ho an’Antananarivo, ary hahazo tombony amin’izany ny boriborintany fahadimy. “Vonona ny hitantana sy hitondra isika…Homena sakafo an-tsekoly ireo mpianatra, homena asa ny mponina.  Tanàna  iombonana Antananarivo”, hoy ihany izy.

Olon’ny fampiraisaina sy ny fihavanana

Notsiahivin’ireo kandidà  mpanolotsaina, laharana faharoa kosa ny tantara ka nilazany fa anisan’ny toerana voalohany nanaovan’ny filoha Rajoelina  fampielezan-kevitra teny  Andraisoro fony izy nirotsaka ben’ny Tanàna. “Nandresy izy teto ka mbola handresy koa  isika amin’ity indray mandeha ity”, hoy izy ireo.

Etsy an-daniny, nampahafantatra ny mampiavaka ny kandidà Andriantsitohaina Naina  ny depiote Raholdina Naivo. “Olon’ny fampiraisana sy ny fihavanana  izy. Nampitambatra anay mpifanandrina tamin’ny fifidianana depiote tety amintsika izy noho ny tombontsoan’ny tanàna. Haverintsika  ny soatoavin’ny fiarahamonina”, hoy  izy.

Efa nandresy ary mbola handresy

Nambarany fa hitan’ny kandidàn’ny IRK avokoa ny olana sy ny fahasahiranan’ny mponina ka hovahany, hampandrosoan ny tanàna.  “Nandresy isika teto tamin’ny fifidianan depiote ka mbola handresy isika amin’ity fifidianana ben’ny Tanàna ity”, hoy izy.

Tsiahivina fa nisy ny fizahana maimaim-poana sy nanomezana fanafody ireo tsy salama teny Andraisoro tamin’izao fihaonan’ny kandidà Andriantsitohaina tamin’ny vahoaka izao.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique