Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Maro nefa samy maika avokoa ireo asa fanarenana

 Na efa mandroso aza ny fanamboarana ny làlana eo amin’ny ankamaroan’ny arabe eto andrenivohitra, dia mbola tsy tomombana ny fandaminana sy fanarahana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny fikatsony. Miteraka fahasorenana izany na ho an’ny mpandeha an-tongotra na ho an’ny mpamily sy mpitaingina fiara. Manana ny fitarainany noho izany koa ny koperativan’ny taxi-be sy ny ny fikambanan’ny mpitondra taxi, na izy ireo aza no iangonan’ny rihatra noho ny fiampangan’ny maro azy ho tompon’adidy anisan’ny voalohany eo amin’ny fitrangan’ny fikatsoana noho ny tsy fanajany ny fitsipika mifehy ny fizorana an’arabe. Ara-bakiteny manaraka ny fitenenana «raharaha manaraka ny arabe» no mbola miandry ny fomba handaminana izany.

Tsy ny ety afovoan-tanàna tazana mibaribary ihany anefa no isehoan’ny toe-draharaha mahamaika, fa eran’izao elanelan-trano madinika rehetra izao dia mazàna ankoatra ny fahamaizimaizinana sy fikitaotaona na fahalàmana, dia anjakan’ny loto sy fako, ary dia voatery manampina orona ny mpandalo noho ny fidonaky ny fofona. Tsy resahana intsony moa ny fijalian’ny olona monina eny amin’ny faritra ambany ireny, indrindra raha vao latsaka ny orana izay efa mandodona akaiky izao ny fotoanany. Maro no miharitra raha mbola afaka miafy, na efa antsasa-dranjo aza ny rano ao an-trano, tsy mitsao-ponenana hamonjy fialokalofana any amin’ny toby vonjimaika ho an’ny tra-boina raha tsy efa tsy zaka intsony ny setrasetran’ny fahoriana.

Eo avokoa izany asa maro karazana sady lavitra ezaka izany, noho ny fitsinjovana ny fahatezan’ny rafitra izay tanterahana, izany hoe tsy vitan’ny ady koropaka nefa tsy maintsy atao araka izay haingana sy azo atao fa efa ela nihafiana ny olona. Ho an’ny kandida mendrika fahatokisana dia fantatra fa tsy hiandry ela aorian’ny fandraisana andraikitra dia hiatomboka ny asa, izany moa raha izy no voafidin’ny mponina. Eo ankilan’izany anefa, maika noho ny maika dia tsy maintsy dinihana ary tanterahana tsy misy andraso-andraso ny fitondrana fanohanana ho an’ireo olona faran’izay marefo tsy mana-koentina anoherana ny onjan’ny fahasahiranana ao anatin’ny fotoan’ny maitso ahitra.

Ny fahalatsahan’ny ankamaron’ny olona ao anatin’ny fahantrana miankina ampahany amin’ny fizotran’ny toe-karena eto amin’ny firenena, izany hoe tsy tafiditra tanteraka ao anatin’ny adidy mipetraka amin’ny mpitantana ny tanàna. Nefa raha tena ampiharina ny fanapariahana fahefana, manana anjara fahefana ahafahany manampy ezaka mahery vaika ny tanjaka manefy ny fanovana sy ny fampandrosona, ary tombony ho an’izany izay fahaizany miara -miasa amin’ny fitondrana foibe.


Léo Raz         

Les commentaires sont fermées.