Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina sy ny CSM: “Aoka tsy hanao kolikoly sy hitanila ny fitsarana”

Filoha Rajoelina sy ny CSM: “Aoka tsy hanao kolikoly sy hitanila ny fitsarana”

Noraisin’ny filoha Rajoelina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha,  omaly ireo eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM).  Nivoitra tamin’izany ny hanatsarana ny tontolon’ny fitsarana.

Nambaran’ny filoha Rajoelina fa tafiditra ao koa ny fanajana ny zon’olombelona.  Maromaro koa anefa ny andrasana amin’ireo mpitsara.  “Ny ady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny fihazonana am-ponja  ary ny fanatsarana ny fitaovana. Ilaina ny tena  fanovana”, hoy izy. Tafiditra amin’izany fanovana izany ny fomba fiasa  sy ny fisainana. Nilaza ny filoha fa mbola hijery ny ao amin’ny fitsarana ny tenany. “Tokony hiverina ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana ary tanjona ny fitsarana tsy mitanila. Lavitry ny kolikoly. Maro ny any am-ponja nefa tsy voatsara », hoy ihany  izy. Nanteriny  fa tokony hohatsaraina sy hafainganina ny fitsarana ireo voafonja. 4 000  isan-taona ireo dosie , vary mangatsika, hiarahana mijery.

Niaiky  ny kolikoly ao amin’ny Fitsarana ny minisitra

Hofainganina ny fitsarana.  Mihoatra lavitra no ho ny isan’ireo voaheloka ny voatana vonjimaika. Etsy Antanimora, efitra kely  nefa mifanitsa-kitro. Nambaran’ny filoha fa hojerena avokoa  ny momba ireo fonja manerana ny Nosy. Niaiky ny minisitry ny Fitsarana,  Randrianasolo Jacques fa misy tokoa ny kolikoly  ary saonjo iray lohasaha io. Mpitsara miisa valo rahateo no miakatra “Codis” eo anivon’ny CSM.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique