Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana fonjam-by – «Afrique 2019»: nahazo 160 tapitrisa Ar ny federasiona malagasy

Hanomboka anio zoma, ary hitohy rahampitso asabotsy 16 novambra, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra fahatelo, taranja fibatana fonjamby. Namaly ny fangatahan’ny federasiona rahateo ny fitondrana, amin’ny fikarakarana sy fandraisana ny fifaninanana, ka nanolotra lelavola, 160 tapitrisa Ar ary ny 20 tapitrisa Ar kosa avy amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Marihina fa hanana ny lanjany ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, satria hiadiana tapakila, hiatrehana ny lalao olympika 2020, tanterahina any Japon. Firenena enina no hiady lohany amin’ity dia i Madagasikara mpampiantrao, i Maorisy, i Zimbaboe, i Lesotho, i Botsoana, i Afrika Atsimo ary i Kameronina.

Hanana solontena 14 mianadahy( fito lahy sy fito vavy) i Madagasikara. Eo amin’ny lehilahy dia i Jean Ricardo -55  kg, i Eric Herman – 67 kg, i Tiana Michel – 73 kg, i Ravo Cadeau – 73 kg, ary i Claudio – 81 kg sy i Wella Sergio – 96 kg. Eo amin’ny vehivavy no ahitana an’i Rosina – 45 kg, i Sabrina – 49 kg, i Sariaka -55 kg, i Saraha Angelina – 59 kg, i Vania – 64 kg, i Sitraka – 64 kg sy i Volamena – 71 kg.

 

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique