Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Com.Nat/Unesco – ECM: nahazo fiofanana ireo ambasadaoro

Com.Nat/Unesco – ECM: nahazo fiofanana ireo ambasadaoro

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Fametrahana ny tambajotram-pifanakalozana eo amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra » (ECM) novolavolain’ny Vaomieram-pirenena malagasin’ny Unesco (Com.Nat)… Notontosaina teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola, ny 4 sy ny 5 novambra teo ny fiofanana ho an’ireo ambasadaoro 22 hanatanteraka izany tetikasa izany. Andro roa nanomezana azy ireo ny fiofanana momba izay tokony ho fantatra amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra, ny fandrafetana tetikasa hoenti-manamora ny famoronana tetikasa any anivon’ny faritra misy ny tsirairay. Handravona ireo olana misy momba ny « ECM » any aminy ireto ambasadaoro ireto sy hitady ny vahaolana maharitra hiatrehana izany. Natsangana rahateo ny « plateforme d’échanges numérique sur l’ECM » ao amin’ny tambajotra sosialy “Facebook” hifanakalozana vaovao haingana.

Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny Com.Nat Unesco Ravelojaona Manda Herilaza ny maha zava-dehibe ny fitarihan-dalana sahady ny tanora mba ho tonga olom-pirenena vanona sy tia mandray andraikitra. Notolorana « Certificat » avokoa ireo ambasadaoro nanao ny fiofanana.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique