Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andriambilany-Ambatolampy: sprinter nivarina tao ambany tetezana, telo maty, 18 naratra

Andriambilany-Ambatolampy: sprinter nivarina tao ambany tetezana, telo maty, 18 naratra

Tsy nisy hisatra, io no nitarika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona telo sy naharatran’ireo fianakaviana miisa 16 tamina fiara Sprinter teo Andriambilany-Ambatolampy.

Tapaka hisatra, io ny nahatonga ny loza nahatsiravina niseho tao Andriambilany, 15km miala an’Ambatolampy raha  hihazo an’Antananarivo, omaly tokony ho tamin’ny 03 ora. Fantatra tamin’izany fa olon-dehibe miisa roa no namoy ny ainy teo no ho eo nandritra ny loza raha teny amin’ny hopitalin’Ambatolampy kosa no fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpianakavy miisa 21 avy namonjy raharaha tao Ambatolampy tao anatin’ny fiara Sprinter. Vokany, 18 naratra mafy ary nahitana zaza izany, hoy ny zandary misahana ny fanadihadiana. Nambarany fa nalefa eny amin’ny hopitalin’Ambatolampy ireo niharam-boina rehetra mialohan’ny hampiakarana azy ireo eto an-drenivohitra anio. Fantatra ihany koa fa isan’ireo naratra ny mpamily fiara.

Tsy voafehy

Fantatra fa vao nidina ny lalan’i Beampobo  ny fiara, tsy namaly intsony ny hisatra, ka niezaka nitady “vitesse” ambany ny mpamily kinanjo tsy voafehiny intsony izany teo amin’ny fiolanan’ny lalana ka nivadika  teo amin’ny arabe nialohan’ny fivarinany  tao amin’ny renirano ao an-toerana.

 

Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique