Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Veliranon’Iarivo – Kandidà Andriantsitohaina Naina: « Hampiroboroboana ny fitantanana tsara rindra sy mangarahara »

Veliranon’Iarivo – Kandidà Andriantsitohaina Naina: « Hampiroboroboana ny fitantanana tsara rindra sy mangarahara »

« Efa mahahenika ny andavanandron’ny mponina ny kolikoly , amin’ny sehatra rehetra na aiza na aiza ary na oviana na oviana.  Matetika, iharan’izany ireo marefo. Anisan’ny fototry ny fitantanana  ny tanàna ny ady amin’ny  kolikoly. Tsy maintsy ho hentitra izany ary tsy mitanila : tsy hisy fandeferana”, hoy ny kandidàn’ny IRK, Andriantsitohaina Naina, ao anatin’ilay “Veliranon’Iarivo”. Nambarany fa mila ny fiaraha-mientana izany hiarovana ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana rehetra, hamerenana ny fitokisana eo amin’ny olom-boafidy sy ny vahoaka. “Hatao mangarahara tanteraka ary voaara-maso ny kaontin’ny kaominina”, hoy ihany izy.

Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny Bianco hametrahana ivontoeram-pifandraisana “zotra  maitso” iadiana amin’ny kolikoly, handraisana ny fitarainan’ny vahoaka iharan’ny tsy ara-dalàna na vavolombelon’ny kolikoly.

Synèse R.

Ireo teboka valo amin’ny “Veliranon’Iarivo”: Ny fanatsarana sy ny fanohanana ny mahasoa ny mponina. Ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny kaominina. Ny fijerena ireo tsenakely, fototry ny fandrosoan’ny toekaren’ny tanàna, ny fandraharahana antoky ny fampandrosoana. 

Eo koa ny ady amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny fanatanjahantena sy ny fialamboly ary ny fanainga mampiray ny tanora.

Ny fametrahana Antananarivo, tanàna maitso. Antananarivo, Renivohitry ny kolontsaina sy ny tantara ary ny fampiroboroboana ny toeram-ponenana mendrika sy fanomezan-danja ireo tanàna miorina. 
 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique