Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Tadidiko ry zalahy… »

« Tadidiko ry zalahy… »

Mbola baraingo ny hoavin’ny tarika Mahaleo na efa nisy tsipy teny nataon’ny mpiray tarika aminy aza noho ny hafenoan-drano be loatra… Mitamberina ao an-tsain’ny rehetra ny « Ny lasantsika », ny lasan’ny tarika Mahaleo… « Tadidiko ry zalahy tamin’ny 72, isika vao nanomboka niaraka…  Ny firaisankina, tao isika no niposaka”. Nampifamatotra ny tarika izany hatramin’izao fotoana farany, ifanaovana veloma amin’i Dadah, izao. Nifandimbiasan’ny taranaka maro nifandimby hatramin’izao ny Mahaleo… Tsy misy tsy mahay ny hiran’izy ireo, manomboka eny ambony tamboho, elakela-trano, lanonam-pianakaviana, hatramin’ny fahoriana… raha vao misy gitara. Teo hatrany ny Mahaleo. Nandalo teny anelanelany teny tao anatin’ny taona maro ny fiainam-pirenena sy ny any ivelany. “Mozambika”, “Bemolanga”, “Fihavanana”, “Minisitera”, “Dia tsy maintsy hiasa ve”, na dia kely aza ny karama. “Fa maro ireo poakaty, manabatibaty, ireo no mamosavy, antsika mianakavy… Ambohikobaka… Fanjakana loham-boto, tsy mba ho ela velona”. Mbola eo hatrany ny hiran-dry zalahy na efa an-taony maro aty aoriana  aza, toy ny milaza fa misy sy mitoetra ny olana. “Tonga ny alina… ny tontakely sy jiolahy natosi-pahantrana, no  tsy miraika fa sahisahy, handeha handroba ny tanàna”… Teo koa ny fitiavana ho an’olon-droa, ny ray aman-dreny, ny zanaka, ny namana… “Handeha ianao ry zanako vavy”, “Badoda sy i Solange”, “Dadabenay, mbola velona  any”. “Mimoza”… Hatramin’ireo havana aman-tsakaiza any ivelany nahazo ny hafatra : “Embona sy hanina”… “Manembona” sy ny olan’ny fiarahamonina, ny fisarahana, ny tokantrano. “Adin-tsaina”… “Mafimafy ihany izay niteraka an-dRainivoanjo” – “Mama Lenina”. “I Mbola tao Antsirabe” sy ny “Fasan’adala”, narahin’ny tononkalon-dRatsimiseta “Rehefa maty aho”. Voatonona daholo koa ny anaran-jazavavy. Nanomboka tamin-dry « Vololona”, “Farakely”, “Ikala Françoise”…  Marobe tsy hita hotanisaina ireo hiran-dry zalahy… Alahelo, fihetseham-po, ranomaso hatramin’ny alina tetsy Mahamasina. Mbola hitohy anio ny veloma farany an’i Dadah. Nifampahery, nifampionona, nifampisaotra tahaka ny natao tamin’i Fafah… Niaraha-niredona, halina, ny “Hiaraka isika, na tomany na sariaka”,  hametrahana fanantenana… fa tsy hisaraka… mbola hihaona!

Synèse R.      

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique