Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Ady amin’ny fanarenana toe-tsaina

Resy lahatra ny rehetra fa ny fiovan’ny toe-tsaina no antoka ahafahana manao dingana amin’ny làlan’ny fampandrosona. Ho fanatanterahana izany dia fantatra ny ezaka lehibe takiana amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ny tsirairay dia izaho sy ianao, mba samy hifehy tena hanaja ny fitsipika toy ny lalàna sy ny didy, hanefa ny adidy noho ny fiaraha-monina eto amin’ny firenena…

Toy ny amin’ny lafiny maro, tsy ho tanteraka izany raha ny olona ataon’ny mponina fitaratra indray no tazana manao izay danin’ny kibony ka miantehatra amin’ny herin’ny fananam-pahefana na amin’ny tanjaky ny harena ananany hanaovany izao fisetrasetrana rehetra izao. Soa ihany fa mampiseho fahendrena ny ankamaroan’ny manam-pahefana sy ny mpanana, nefa tsy ilaozan’ny vitsivitsy mandoto rano, manampatra noho ny fahataitairana sendra tafakatra, manao ny tsy fanao dia mitsikafona toy ny fivalanana entin-driaka.

Mazava ny fanimban’izany ny tontolon’ny firaisamonina. Ny vahoaka efa tototr’izao fahasahiranana isan-karazany izao dia tsy manaiky intsony hoterena hitampifimpify ahafahan’iretsy hivalampatra amin’ny fanjakazakana, fa angaha izy ity tokontany fiompiana akoho mpiady ka vitan’ny fampitandremana amin’ny filazana hoe «ampidiro ny akohovavinareo fa hivoaka ny akoholahinay». Ain’olona maro no nafoy tamin’ny tsy rariny tao anatin’ny andro vitsy, tsy ampy herinandro, noho ny setrasetra nataon’olona matanjaka tsy nahay nifehy tena sy nifehy ny fitaovana teny am-pelatanany.

Asa na fiaram-panjakana na tsia no namitaka ilay rangahy namily azy, araka ny siosion-dresaka dia kilema teknika tsy nampoizina ho nahatonga ny fitrangan’ny loza, araka ny ako avy amin’ny olona nanatri-maso teo ihany koa ny setrasetra avy amin’ny firimorimoana tafahoatra afovoan-tanàna amin’ny andro tsena. Voafaoka teny amin’ny faritra voatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny olona ka roa na telo no namoy ny ainy ary maro no naratra mafy. Vadin-drasazy no mpamily, miala tsiny fa izay moa no filaza ny lehilahy tsy dia fantatra ny momba azy afa-tsy avy amin’ny vadiny izay manan-daza noho ny andraikitra ambony feheziny.
Tamin’ny sehon-draharaha hafa, vehivavy iray, isa efa mihoatra ny rariny, no maty teo am-padohalihana notifirina zandary iray an-kitsirano ankalamanjana andro atoandro…

Momba ny fanapariahana vaovao tsy marina sy ny fanendrikendrehana tsy mitombina ary ny fanosoram-potaka tafahoatra, nampitandrina ny minisitra iray anisan’ireo miandraikitra ny fiarovana sy ny filaminana. Na izany aza, raha miseho ety ivelany ny raha tsy hita ho afenina toy izao dia heverina tsy ho rariny ve ny fipetraky ny ahiahy mikasika ny daroka sy daka sy fampijaliana samihafa miafina ao an’efitra ambadiky ny rindrina mandritra ny fanadihadiana ?

Seho samy hafa mitaky fanarenana ny toe-tsain’ny olona miandraikitra fahefana, indrindra indrindra ho an’ireo iankinan’ny fampiasana herim-panjakana milanja fitaovam-piadina-panjakana. Mpiasam-panjakana eo amperin’asa tamina basim-pirenena no nifofo tsy andrariny ain’olom-pirenena ! Ifonana !


Léo Raz   

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique