Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra lavanila 1 taonina: lehilahy iray namono tena tao amin’ny biraon’ny polisy

Halatra lavanila 1 taonina: lehilahy iray namono tena tao amin’ny biraon’ny polisy

Natahotra! Maty tsy tra-drano tao amin’ny biraon’ny polisy ao kaomisarian’Ambanja ny lehilahy iray nanaovana fanadihadiana manokana momba ny fahaverezana lavanila milanja 1 taonina tao amin’ny distrikan’Analalava.

Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisy nisoloky ny mpandraharaha lavanila avy ao amin’ny distrikan’Analalava ka very tamin’izany ny lavanila 1 taonina. Nametraka fitoriana tao amin’ny zandary ao Antsohihy ity mpandraharaha ity taorian’izay. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa any Ambanja ny ampahan’ireo entana very ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny trano iray ao Ambanja ny zandary ka hita tao ny lavanila 19 kg. Niziriziry kosa anefa ny tompon-trano fa azy ireo lavanila ireo ary ananany porofo izany. Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ao Ambanja indray ilay mpandraharaha. Nalefa tany amin’ny polisy ny didy fanokafana fanadihadiana avy amin’ny fitsarana, ny zoma 1 novambra 2019 teo. Nanao ny famotorana avy hatrany ny polisy ka nandefasana fiantsoana ny olona telo ahiahina. Ny asabotsy 2 novambra 2019 tamin’ny 10 ora maraina, tonga teny anivon’ny kaomisarian’Ambanja ireo olona telo ireo hanaovana fanadihadiana. Nampidirina tsirairay izy telo ka nasaina namaky ny fitanana an-tsoratra (PV) nataon’ny polisy izy alohan’ny hanaovany sonia rehefa vita ny fanadihadiana ilay faharoa. Nandritra izany kosa, nanao tatitra tamin’ny lehibeny ilay mpanao famotorana. Tamin’ny fotoana niverenany afaka minitra vitsy anefa, hita nitsirara tamin’ny tany sady nihosin-dra ilay lehilahy natao famotorana faharoa. Hita nandritra ny fizahan’ny polisy fa notsatohiny antsy teo amin’ny fony. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly izy, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Havany ihany ireo niaraka natao famotorana taminy ary nijoro vavolombelona fa azy tokoa io antsy namonoany tena io satria efa fitondrany any anaty kitapokeliny rehefa miasa manao lavanila kanjo izao namonoany tena izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.