Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governora Rasoamaromaka: « Hodiovina ny lakandrano… »

Governora Rasoamaromaka: « Hodiovina ny lakandrano… »

Tsy an-kiandriandry. Nanome toromarika ny governora an’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. “Tsy maintsy diovina sy loarana avokoa ny lakandrano satria marivo sady mampijaly ny mponina amin’ny fotoan’ny orana. Tahaka izany koa ny fako. Tsy tian’ny filoham-pirenena hasiso ny vahoaka ka tsy tsy maintsy raofina izao dia izao izany”, hoy izy tetsy Andavamamba sy tetsy Ilanivato. Niasa avy hatrany ireo fitaovana vaventy rehefa nantsoina nanao izany asa rehetra izany. Nanampy tamin’ny fanadiovana, nanala ireo fako nisavovona teo anelanelan’Andavamamba sy Ilanivato, ireo mpiasa avy amin’ny fokontany. Tsy vitan’izany fa manakaiky ny sekoly anakiray izany fako izany, ary miteraka fofona sy mamparary ny mpianatra. “Tsy niandry ela fa natao avokoa ny asa rehetra nampanaovina anay“, hoy ihany izy. Mbola hitohy ny hetsika tahaka izao amin’ireo lakandrano mba tsy ho tondraka ny eny an-toerana amin’ny fotoam-pahavaratra.  Nentaniny koa anefa ny mponina tsy hanary fako anaty rano fa anisan’ny mahatonga ny fahatsetsenan’ny lakandrano matetika izany.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.