Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tobin-drano Amoronakona: manarina ny lesoka ny orinasa

Nitsidika ny asa vaovao famatsian-drano maromaro eto Antananarivo ny minisitra mpisolo toerana ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo, Ramarolahy Christian, omaly. Anisan’izany ny eny Amoronakona, izay tsy mety vita hatramin’izao, ka hentitra ny minisitra nilaza fa “tsy maintsy manarina ny lesoka ny orinasa nahazo ny tolo-bidy manao ny asa”. Efa tonga any Ambohimahitsy ny rano, ary efa mandeha ny fanadiovana ny siniben-drano any Mahatazana analana ny mikraoba. An-dalana koa ny fanaronana ny fantsombe mitondra ny rano.

Nijery ny fizotry ny asa eny Laniera koa ny minisitra mpisolo toerana. Vita ny fandavahana rano any ambanin’ny tany, miisa dimy, mahazo rano 100 m3 isan’ora. Hamatsy ny faritra avaratr’Antananarivo, miainga eo Ambohitrarahaba, eny Sabotsy Namefana hatrany Lazaina ity toby ity. Ho vita amin’ny 14 desambra ny asa rehetra. Misy koa ny fandavahana rano miisa fito, hamatsy ny avaratra andrefana (Ivato, Ankadindravola, sns).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.