Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tagnamaro: nodiovina ny Cnaps 67 ha

Tagnamaro: nodiovina ny Cnaps 67 ha

Nanao ny adidy “Tagnamaro” andiany fahefatra ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), teny amin’ny foibe 67 ha, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nandray anjara avokoa ny mpiasa fianakaviamben’ny Tahirim-pirenena. Nilaza ny talen’ny fitantanana, Rakotomila, fa “fomba iray entina miady amin’ny loto sy ny aretina, toy ny pesta, ny fanadiovana. Ankoatra ny politikan’ny fanjakana, mitaiza ny mpiasa hadio ny Cnaps. Afaka mamokatra rahateo ny mpiasa salama.

Isaky ny zoma faran’ny volana ny fotoana fanaon’ny Cnaps ny “Taganamaro”. Teny amin’ny foibe Ampefiloha ny hetsika andiany fahatelo ary any amin’ny Ivontoerana CCL Vontovorona indray ny vinavina manaraka ho an’ny andiany fahadimy.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique