Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Mbola nanamafy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika, i Volahaingo Marie Thérèse, fa mbola misy ny talen-tsekoly maka saram-pisoratana anarana amin’ny ray aman-dreny ka izay ny antony nanomezana toromarika fa efa foana izany tao anatin’ny taona maro. Efa mandefa ny « caisse école” hividianana ny kojakoja rehetra ilaina amin’ny fampandehanana ny fampianarana ny fanjakana isan-taona ka tsy tokony hitaky intsony vola amin’ny ray aman-dreny ny sekoly hividianana ireo fitaovana ireo. Tsy mitsabaka amin’ny latsakemboky ny fikambanan’ny ray aman-dreny kosa ny minisitera fa raharaha anatin’ny EPP sy ny ray aman-dreny izany.

 

Nizara “kit de dignité” ahitana koveta, zinga, siny, savony, lamba famaohana, borosy nify ho an’ireo reny voafonja mitaiza kely, ary vovo-dronono ho an’ny zanany, ny minisitry ny Mponina, i Naharimamy Lucien Irmah, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy ary natrehin’ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitondra koa fitaovana sy fanafody famonoana bibikely izy ireo. Tonga dia natao ny fandrarahana ny fanafody, omaly.

 

Les commentaires sont fermées.