Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolo iainana: faharoa maloto rivotra indrindra eran-tany eto Antananarivo

Tontolo iainana: faharoa maloto rivotra indrindra eran-tany eto Antananarivo

Tafahoatra loatra ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka momba ny tontolo iainana, ny volana oktobra lasa teo. Manamarina izany ny tarehimarika ambony azo avy amin’ny fampiasana fitaovana avo lenta (TemTop LKC-1000S+).

Manaitra ny tompon’andraikitra ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ny amin’izao fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra izao, misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona hatrany amin’ny toekarena ankapobeny. Raha tratran’ny tsy fahasalamana ny olona iray, mandringa manaraka izay koa ny asany.

Raha ny tatitra natao, tsy mamparisika ny mpampiasa vola ny ho avy eto Madagasikara, indrindra ny famatsiana angovo eto an-toerana mbola mandeha amin’ny solika ny ampahany betsaka. Mampihemotra ny mpizahatany vahiny ihany koa ny fahatongavana eto Madagasikara, ary ireo izay tonga, fandalovana ho azy ireo fotsiny Antananarivo. Mandoto rano sy mampihena betsaka ny vokatry ny fambolena ihany koa ny rivotra sy ny tontolo iainana maloto.

Antony lehibe mahatonga izany, araka ny fanadihadiana, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ao anatin’izany ny fahamaroan’ny fiara mamoaka setroka mainty ; milina efa antitra fampiasan’ny indostria, toy ny Jirama ; fampiasana saribao ; ny doro tanety hatraiza hatraiza.  Ny fanadihadiana natao ny 15 oktobra 2019, manambara fa tanàna faharoa maneran-tany amin’ny fahalotoan’ny rivotra ny eto Antananarivo (1), aorian’i New Delhi, tsy araka ny salanisa feran’ny OMS (2).

Vahaolana laharaham-pahamehana

Fotoana izao ametrahana vahaolana laharaham-pahamehana, hoentina mampihena ny rivotra maloto. Anisan’izany ny fanavaozana ny indostria, famindran-toerana ireo orinasa efa antitra na hidina mihitsy. Anjaran’ny fanjakana ny mitady vahaolana ho amin’izany ho fiarovana ny mpiasa ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Ezaka lehibe takina ny famatsiana angovo azo havaozina ; fambolen-kazo ; tsy fahazoana mampiasa fiara mamoaka setroka mainty ; fanatsarana ny fifamoivoizana ; fanentanana ny rehetra hitandro ny fahadiovana sy ny ady amin’ny doro tanety ; fialana amin’ny fampiasana saribao ka hatao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ny angovo hafa, toy ny gazy sy ny herinaratra.

Araka ny tatitra navoakan’ny OMS, enina tapitrisa isan-taona ny olona maty vokatry ny rivotra maloto, ankoatra izany ireo tratran’ny aretina samihafa.

R.Mathieu

– Fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo (1) : taux de concentration en particules fines PM 2,5 de 232,8 microgrammes par mètre cube (μg/m3) ; taux de concentration en particules grossières PM 10 de 368,9 microgrammes par mètre cube (μg/m3).

Salanisa feran’ny OMS (2) : 25 μg/m3 aux PM 2,5 et de 50 μg/m3 aux PM10

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique