Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaka tetezana: nivoaka ny ala ny varika

Resaka tetezana: nivoaka ny ala ny varika

Marihina fa misy tetezana namboarin’ny tompon’ny hotely manasaraka ny ala sy ny tanàna misy ireo hotely fandraisam-bahiny. Natao izy io mba ahafahan’ny mpianatra miampita rehefa handeha hianatra. Saingy lasa andehanan’ny varika koa ity tetezana ity, ka misy mamono na mihaza ireo sendra tafampita.

Nambaran’ny Tangalamena any an-tanàna, fa tena mampidi-bola ny mponina ny fisian’ny varika, satria antom-piveloman’izy ireo ny mitarika mpizahatany, sady mampiditra tamberim-bidy ho an’ny kaominina, ary ahazoan’ny firenena vola vahiny. Mivelona amin’ny ala arovan’Akanin’ny Nofy avokoa ny 80%-n’ny mponina any an-toerana.

Koa, miantso any fanjakana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, hijery akaiky ity loza mihatra any an-toerana ity ny fokonolona any amin’Ankanin’ny Nofy sy ny kaominina Ambinaniniony.

Miray hina manohitra izao famonoana sy fandripahana ny varika izao ny fokonolona, ny tangalamena, ny sefo fokontany, ny mpanolotsaina ao amin’ny kaominina Ambinaniniony, misy ny fokontany roa, Ampahantany sy Ambodivotaka.

Nilaza ny mpanolotsain’ny kaominina Ambinaniniony, Roger, fa mahatratra 56 ha ny velaran-tany rakotr’ala any amin’ny Akanin’ny Nofy. Manodidina ny 300 ny isan’ny varika ao, ahitana karazany 11. Toy ny Eulemur Coronatus, ny Eulemur Rubribentre, ny Eulemur Macaco, ny Eulemur Hybride, ny Eulemur Fulvus, ny Verecia Variogata, ny Indri indri, ny Cheirogulous Major, ny Microcebus Rufus, ny Avahi Laniga, ny Aye Aye.

Les commentaires sont fermées.