Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina: hatao veloma farany eto Antananarivo i Dadah

Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina: hatao veloma farany eto Antananarivo i Dadah

Dadah, andrarezin’ny zvakanto malagasy. Ho fanaovam-beloma azy farany sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, hoentina eto Antananarivo ny nofomangatsiakany.

Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, omaly sy anio, ao an-tranony any Antsirabe ny nofo mangatsiakan’i Dadah no andrasana. Any no hanatanterahana ny famangiana ny fianankaviana, amin’ireo andro ireo. Rahampitso alarobia amin’ny 9 ora maraina kosa, hiala any an-toerana ny nofo mangatsiakan’i Dadah ka hoentina ao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ao no hanatanterahana ny famangiana sy fanomezam-boninahitra ary ny veloma farany ho an’i Dadah. Ny alina no hanatontosana ny fiaretan-tory an-kira. Ny alakamisy amin’ny 9 ora maraina, hiala ao Mahamasina ny razana, hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely. Aorian’izay, hoentina any amin’ny fasan-drazany any Betafo, toerana hanatanterahana ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Dadah.

Araka ny nambaran’i Bekoto, tsy misy hetsika hafa ho fahatsiarovana an’i Dadah atao ivelan’ireo fandaharam-potoana ireo.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.