Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eto an-dRenivohitra: mafy sy mateza ny lalana vaovao

Eto an-dRenivohitra: mafy sy mateza ny lalana vaovao

Ao anatin’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena (RN ) tanteraka ny eto an-dRenivohitra. Manara-penitra sady tsara kalitao ny fanaovana azy, fa tsy ilay tampintampenana toy ny fanao tato anatin’ny 40 taona farany, nanomboka ny taona 1975. Nambaran’ny teknisianina iray, anisan’ny manao ny asa amin’ny eny Mascar Andravoahangy (RN 3), fa anisan’ny miavaka sady ampiasana ny teknika fanaovan-dalana maoderina izao fanamboaran- dalana izao. Aorian’ny fanaovana ny fototra, atao ny sosona godirao matevina, 9 na 10 sm. Mbola hisy sosona godirao 5 sm fanindroany indray avy eo eo amboniny, ilay antsoina amin’ny teny teknika hoe “couche de roulement” na “enrobés bitumeux”. Ny tena hamantarana ity farany, mitovy lenta, marin-drano amin’ny sisin’arabe (trottoir) ambany ny haavony. Mbola ny dingana voalohany, sosona godirao matevina, no hita amin’ny ankamaroan’ny vita ankehitriny. Ho an’ny orinasa Colas, efa manomboka ny fanaovana ity dingana farany ity ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4) ary hitohy any amin’ny RN 2 sy RN 3, hiandraiketany.  Orinasa sinoa kosa ny manao ny RN 1 sy ny RN 7, miampy ny mankany Itaosy.

Mampiavaka ny asa koa ny fanarenana tanteraka ny lakan-drano sy ny sisin’ny arabe. Lehibe sady matevina ny habeny, ary saika notampenana avokoa ny ankamaroany, hisorohana ny vaingana fako tsy hiditra anaty lakandrano mba tsy ho tsentsina.

Novaina sy namboarina manara-penitra toy izao daholo ny lalam-pirenena hatrany amin’ny 10 km manodidina an’Antananarivo.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique