Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny faha mpanjaka: singa iray nandrefesana ny toekarena ny tsena

Andron’ny faha mpanjaka: singa iray nandrefesana ny toekarena ny tsena

Ankoatra ny varotra, toerana nifanomezam-boninahitra ny tsena teo amin’ny Ntaolo malagasy na « Fihaonana ». Io « Fihaonana » io ny hevitry ny tsena efa talohan’ny fanjakan’Andriampoinimerina, naorina teny amin’ny toerana avo.

Teo an-tsena, nitondrana ny vokatry ny asan’ny tsirairay natao hampidi-bola. Koa nametraka fepetra ny mpanjaka amin’ny fampiasana izany toerana izany, nampitoviany lenta amin’ny « Lapa » fanambarana ny fiandrianana. Anjaran’ny vadintany tamin’izany fotoana izany ny mpanelanelana teo amin’ny fanjakana sy ny vahoaka, miantoka ny fanaraha-maso, indrindra ny fampitana ny hafatra avy any amin’ny mpanjaka.

Ny tsena no singa iray nandrefesana ny tanjaky ny tanàna iray momba ny toekarena. Ahitana sokajiny maro ny tsena, ambanivohitra na tanàn-dehibe. Misy ny tsena mpivarotra ambongadiny, toy ny eo Anosibe, sy ny mpivarotra an-tsinjarany any amin’ny fokontany. Misy ny tsena manokana malaza amin’ny faritra iray, toy ny tsenan’omby, ny vatosoa, ny volamena, ny lavanila …

Atao ampihodina ny toekarena avokoa ireny, mampidi-bola manomboka any amin’ny fokontany, ambanivohitra na ambonivohitra, sy ho an’ny firenena iray manontolo. Noho izany, ilaina ny politika fanavaozana ny tsena amin’ny maha fotodrafitrasa ifaneraseram-bahoaka azy sy hanomezana endrika ny tanàna iray.

Noferana ny isan’ny omby namidy

Zava-dehibe teo amin’ny fanjakan’Imerina ny fifanakalozana, tsy amin’ny lafiny varotra ihany fa teo amin’ny hevitra sy ny paikady fitantanana ny fanjakana, ny fiarovana fananam-bahoaka. Nisy fotoana, araka ny tantara, norarana mafy ny fivarotana omby mihoatra ny 19 ao anatin’ny indray andro ho fiarovana ny omby. Tsy misy misaina izany intsony ireo milaza azy mpitondra amin’izao andron’ny Repoblika izao. Na tamin’ny taonjato faha XVIII aza, mbola nahay niafina ireo nivarotra zavatra halatra, mifanohitra amin’izao taonjato diavintsika izao izay tsy takona afenina intsony, ohatra, ny tsenan’ny omby halatra.

« Fihaonana »

 « Fihaonana », mifono hevitra iray koa hoe « any ambony » ny tsena. Nifanaovana fotoana sy nifampiresahan’ny mpiara-monina. Tao anatin’izany « Fihaonana » izany, mifono hevitra mitsena olona, nahatonga ny fototeny « tsena ». Ankoatra ny maha toeram-pivarotana azy, hifankahitan’ny mpiray tanàna hifampitam-baovao. Eo amin’ny lafiny varotra, ny mpivarotra no mampahafantatra izay amidiny ary izy ireo no manatona voalohany ny mpanjifa.

Faritry ny fandriampahalemana

Nofaritan’Andrianampoinimerina ho faritry ny fandriampahalemana ny tsena teto Imerina. Voasazy faran’izay henjana izay tratra mangalatra. Nomena fotoana iray lehibe isan-kerinandro ny tsena, toy ny tsenan’Anjoma teo Analakely, malaza indrindra teto Imerina, saingy nofoanana taty aoriana, noho ny tsy fitandroana ny kolontsaina. Tsenan’Andravoahangy, Mahamasina, Isotry … mbola misy fa anarany sisa sy hanjakan’ny loto, tsy araka ny namaritan’Andrianampoinimerina azy.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique