Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po

Potika…

Mazava be tsy mila halalinina intsony ny fahapotehan’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Misy ny tompon’antoka manao azy ireny, isika olombelona, fa misy koa ny tompon’andraikitra miantoka ny fiarovana azy sy ny famaizana ny meloka. Nametrahan’ny filoha Rajoelina iraka manokana izy ireny, voafaritr’ilay hoe fandaharanasa ifanarahana (contrat programme), ka tsaraina arakaraky ny zava-bita miohatra amin’ny tanjona tokony hotratrarina ny tsirairay.

Ho an’ny tontolo iainana sy ny ala, nirongatra ny doro tanety, ny doro ala, ny fandripahana hazo tsy ara-dalàna na anaty faritra arovana. Ambony ny tahan’ny loton’ny rivotra iainana eto an-drenivohitra. Ambony ny maripana vokatry ny doro tanety sy ny loton’ny rivotra iainana.

Antomotra ny fotoana, ho tapitra ny taona, ary hifarana koa ny fe-potoana herintaona napetraky ny filoha hitsarana azy ireo.

Tsy misangy ny filoha, nanao velirano tamin’ny vahoaka, ary ny tombontsoan’ny firenena mitondra fampandrosoana no tena tanjony.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.