Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambilobe-Vohémar: miroso ny fanamboaran-dalana

Ambilobe-Vohémar: miroso ny fanamboaran-dalana

Mitohy ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambilobe-Vohemar. Nidina ifotony nijery ny asa fanamboaran-dalana tany an-toerana,  ny faran’ny  herinandro teo ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo. « Tsy araka ny feo mandeha etsy sy eroa fa am-perinasa ny orinasa manao  izany ary tsy maintsy ho vitaina araka ny tokony ho izy.  Tafiditra ao anatin’ny vina napetraky ny filohan’ny repoblika  izany”, hoy ny minisitra. Araka ny hita tany an-toerana,  tsy mitombina ny filazana fa variana mitrandraka volamena ireo Sinoa nahazo ny tsena.

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny fanamboarana ny tetezana ao Marivorahona, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6)  sy ny fefiloha vaky nahatonga ny lalana tapaka sy ny tanàna ho dibo-drano. Miroso avokoa ny asa amin’izany,  araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra any an-toerana.  “Ho vitaina araka ny tokony ho izy ny asa rehetra. Na ho tonga aza ny fahavaratra, tsy ho tapaka fa hitohy hatrany ny fifamoivoizana amin’ny lalana Ambilobe- Vohémar sy ny RN6”, hoy ihany  ny minisitra.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique