Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tapa-bolana taorian’ny nahalasanan’i Fafah: nodimandry omaly koa i Dadah

Tapa-bolana taorian’ny nahalasanan’i Fafah: nodimandry omaly koa i Dadah

Tampoka loatra ka saiky tsy nampino ny maro. Tapa-bolana… monja taorian’ny nahalasanan’i Fafah, nodimandry, omaly, koa i Dadah, iray amin’ireo nanangana ny tarika Mahaleo hatrany am-piandohana.

Very olomanga iray indray ny fianakaviana, ny tarika Mahaleo, ny tontolon’ny zavankato malagasy, ny Malagasy, i Madagasikara ary ireo sehatra nahitana azy… Nodimandry, omaly, i Dadah (tarika Mahaleo). Raha ny resaka fohy nifanaovana tamin’i Bekoto, « tany Antsirabe raha avy nitsena ny zanany avy any ivelany izy…  Avy nisakafo izy no kofona. Nitarika fahatapahan’ny lalandra izany ka izao niafara tamin’ny fodiamandry izao. Hatreto, tsy mbola misy azo ambaran’ny tarika Mahaleo fa mbola hidina any Antsirabe izaho sy i Dama, na anio na rahampitso ».

Teraka tamin’ny 21 jona 1954 (65 taona) Andrianabela  Rakotobe fantatra amin’ny solonanarana Dadah amin’ny maha mpanakanto azy. I Dadah Rabel ihany koa rehefa tafaraka amina mpanakanto hafa. Mpitsabo (docteur en médecine) ny asa niantsorohany.

Tsy ela fa vao tamin’ny faran’ny herinandro teo izy no nanolotra seho tao amin’ny Plazza Ampefiloha, ho tsiahy an’i Fafah. Tsikaritry ny mpijery tamin’izany fa tao anatin’ny alahelo sy embona an’i Fafah i Dadah. « Nilatsaka hatrany ny ranomasony! », hoy ny mpijery.

Raha tsiahivina, fito mirahalahy (Dama, Dadah, Raoul, Charles, Bekoto, Fafah, Nonoh) no nanorina ny tarika Mahaleo tany amin’ny taona 1972. Efa nindaosin’ny fahafatesana i Raoul, i Nonoh, i Fafah ary i Dadah. Marihina fa sady namoron-kira no mpihira ary nitendry gitara ihany koa i Dadah. Eo amin’ny lafiny finoana, sady diakona no mpitendry zavamaneno, mpikambana ao amin’ny antoko mpihira AMA ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely i Dadah.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Dadah manontolo sy ny tarika Mahaleo ary ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique