Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika haondrana antsokosoko: teratany srilankey nahatrarana vatosoa 650 g

Saika haondrana antsokosoko: teratany srilankey nahatrarana vatosoa 650 g

Saron’ny mpiasan’ny doany teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny fonosana miisa 21, nahitana vatosoa sarobidy milanja 650 g, ny antoandron’ny asabotsy teo. Nafenin’ilay teratany srilankey iray tao anatina “lampe de bureau” miisa roa ireo vato sarobidy ireo ary nokasainy hoentina ny an-tanidrazany raha hiondrana ny fiaramanidin’ny kaompania Kenya Airaways ny tenany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa maro karazana ireo vato sarobidy nafeniny ireo toy ny apatite, ny zircon, ny tourmaline, ny hazanite, ny saphir ary ny chrysoberyl. Raha tsiahivina, vehivavy teratany karana miisa roa no sarona niaraka tamina volamena 1 kg sy safira 255 g teny an-toerana. Voamarina tamin’izany fa nofosana tanaty “pâte à modeler” ireo vato sarobidy ireo ary nafenina tamin’ny kodiran’ny “bagage à main”.

H.H

Les commentaires sont fermées.