Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: hitokona ireo mpandraharaha drakaka

Mahajanga: hitokona ireo mpandraharaha drakaka

Mandalo fotoan-tsarotra ny fandraharahana drakaka any Mahajanga. Maneho ny fitarainany sy nilaza fandrahonana hitokona izy ireo manoloana ny ataon’ny Sinoa mpanangom-bokatra.

Mitaraina ireo mpandraharaha drakaka any Mahajanga, vokatry ny ampihimamba sy ny tsy rariny ataon’ny vahiny sinoa mpanangom-bokatra. Hanao fitokonambe izy ireo, anio alatsinainy, eo anoloan’ny biraon’ny fitantanam-paritry ny Jono any Mahajanga hanehoany ny fanoherana ny fihetsik’ireo mpandraharaha vahiny ireo, sady manaitra ny filoha Rajoelina hijery akaiky ity raharaha ity.

Maro ny anton’izao hetsika izao. Natao tamin’ny volana oktobra teo ny fikaonandoha teo amin’ny mpandraharaha malagasy, ny orinasa sinoa mpividy drakaka ary ny fanjakana, tany Antsohihy. Maro ireo nitaraina vokatry ny fanararaotana ataon’ireo vahiny. Nangatahin’ny Malagasy ny hamelana azy ireo hanohy malalaka ny fanangonam-bokatra efa fanaony fa tsy hobodoin’ireo Sinoa samirery. Nambaran’i Mosa Ferdinand, filohan’ny mpanangom-bokatra malagasy any Mahajanga, fa ireo orinasa sinoa miisa telo ihany no mametra ny vidin’ny drakaka. 7 000 Ar ny handraisany ny kilao raha mihoatra ny 11 sm ny haben’ny drakaka, ary 3 000 Ar/kg raha latsak’izany. Mahatratra 48 000 Ar/kg anefa ny hivarotan’izy ireo izany rehefa tonga any Sina.

Nanomboka nividy drakaka ireo Sinoa ireo, ny 31 oktobra teo, nefa tokony ho rahampitso 5 novambra ny fifanarahana natao hanombohan’izany. Tsy nisy koa ny fanamarihana avy any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.