Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovana an’i Menabe Antimena: miara-miasa sy manentana ny fiarahamonim-pirenena

Fiarovana an’i Menabe Antimena: miara-miasa sy manentana ny fiarahamonim-pirenena

Nanao fihaonambe ho fanabeazana ny olom-pirenena hanaja ny tontolo iainana, ny volana oktobra lasa teo, ny fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena any amin’ny faritra Menabe. Nikaon-doha tamin’izany ny fiarahamonim-pirenena any amin’ny faritra, nahitana solontena iombonana eto amin’ny Nosy, sy ny solontena iraisam-pirenena. Niaraka tamin’izy ireo koa ny mpiara-miombon’antoka mpamatsy vola sy ny teknisianina.

Nisy fihaonana manokana tamin’ireo ankizy mpianatra, ny 30 sy 31 oktobra tao Morondava, momba izay fiarovana ny tontolo iainana izay. Tsy takona afenina izao ny faharavan’ny ala sy ny doro tanety, olana iray lehibe eto amin’ny firenena misy fiantraikany amin’ny lafiny rehetra. Any amin’ny faritra Menabe, mibaribary ny fanapotehan’ny ala, any amin’ny faritra arovana, Menabe Antimena.

Teraka ny vondrona 3MA*, ahitana karazan’olona maro miombon-kevitra hanavotra an’i Menabe Antimena. Araka ny tatitra nataon’ny WWF, nasiana io fihaonana io hanentanana ny rehetra handray anjara tandrify azy avy, amin’ny fiarovana, sy miara-mitady vahaolana maharitra mifanaraka any amin’ny faritra.

 

R.Mathieu

3MA* : Mobilisation Multi-acteurs pour sauver Menabe Antimena

Les commentaires sont fermées.