Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – Tohana ho an’ny fanatanjahantena: lasan’ny ekipan’ny Aska ny amboara

Rugby – Tohana ho an’ny fanatanjahantena: lasan’ny ekipan’ny Aska ny amboara

Nobatain’ny Aska, ny ho tompondakan’ny kaominina Anosizato Andrefana, eo amin’ny taranja rugby. Fihaonana, notanterahina ny alahady 27 oktobra, lasa teo. Resin’ny Aska, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa, 16 no ho 12, ny ASM. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana mpanao asa soa F.F.A.M (Force féminine d’aide mutuelle). Tanjon’ny fikambanana ny hamerina indray ny fifankatiavan’ny mponina ao amin’ny kaominina Anosizato andrefana sy ny famerenana ny firaisankina ao an-toerana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. Raha ny fanazavana nentin’ny filoha mpanorina ny fikambanana FFAM, Rtoa, Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah, ilaina ny fampiofanana ny tanora amin’io taranja io mba ho lasa lavitra. ka hisy fampandrosoana mihitsy. Tanjona mantsy ny tsy hijanonan’ireo mpanao fanatanjahantena eny ambony kianja fotsiny fa ho tonga matihanina, ahafahan’izy ireo mitondra avo ny anaran’i Madagasikara hatrany ampitan-dranomasina. Ho fampivoarana ny baolina lavalava eny Anosizato dia niresaka mivantana tamin’ny mpilalao izy nihaino ny hetaheta, ary nanoro hevitra ny amin’ny tokony handraisan’ny mpilalao fampiofanana matetika.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.