Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fifanintsanana «Can 2021»: najanona i Debakely sy i Mamy Gervais, naverina i Gladysson

Kitra – Fifanintsanana «Can 2021»: najanona i Debakely sy i Mamy Gervais, naverina i Gladysson

Niova endrika ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fifanintsanana, hiadian-toerana amin’ny “Can 2021”, taranja baolina kitra. Nisy ireo najanona ary teo koa ny naverina indray hanatevina ny ekipam-pirenena.

Mpilalao 24 no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fampivondronana ho fanomanana ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia, ny 16 novambra, ho avy izao, etsy Mahamasina. Mpilalao dimy, niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta, no tsy nantsoina intsony dia i Dabo, i Leda, i Mamy Gervais, i Debakely ary i William Gros. Nisy ihany ireo naverina indray dia i Bakary Mario sy i Gladysson.

Ankoatra izay, betsaka ireo mpilalao avy eto an-toerana, hita ao anatin’ny lisitry ny Barea de Madagascar, izay miisa efatra dia i Nina sy i Joma, mpiandry tsatoby ary i Théodin, miampy an’i Baggio. Nambaran’i Dupuis, fa nahavita zavatra tsara ireo mpilalao ireo ary naharesy lahatra ny rehetra ny endri-dalao nasehony, na tao anaty ekipam-pirenena na tao amin’ny klioba, nisy azy. Nahagaga ny rehetra kosa ny tsy niantsoana an’i Fabrice, mpiandry tsatobin’ny Fosa Jr, izay nahavita dingana tsara ihany koa tamin’ireo lalao iraisam-pirenena, natrehiny.

Nisy kosa ny tsy fahafahan’ireo mpilalao hafa izay mbola miatrika ny fifaninanana, ao amin’ny kliobany. Tsy nisy resaka kosa ny amin’i Ludovic Ajorque, na efa nandeha be aza ny feo fa anisan’ireo hantsoina, izy. Hanomboka ny 11 novambra ho avy izao, ny fampivondronana, ireo mpilalao nantsoina, ireo.

 

Tompondaka

 

-Mpiandry tsatoby  
1-Melvin ; 2-Nina ; 3- Joma

-Vodilaharana

4-Bapasy ; 5-Thomas Fontaine ; 6 -Romain Métanire ; 7- Jeremy Morel ; 8-Théodin ; 9- Mario Bakary ; 10-Mombris.

Irakiraka
11-Ibrahim Amada ; 12-Marco Ilaimaharitra ; 13 – Dax ; 14 – Abel Anicet ; 15 – Rayan ; 16 –Baggio ; 17 – Caloin

Lohalaharana
18-Faneva Ima ; 19- Carolus ; 20 – Njiva ; 21 – Paulin ; 22- Gladysson ; 23 – Jean Yves ; 24 – Bolida

 

 

 

Les commentaires sont fermées.