Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nirefotra ny basy teny Mausolée: maty voatifitra i Kôma, voasambotra ny sivy lahy namany

Nirefotra ny basy teny Mausolée: maty voatifitra i Kôma, voasambotra ny sivy lahy namany

Nirefodrefotra ny poa-basy teny Mausolée nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny BC, sakelika fahefatra, sy ny andian-jiolahy notarihin’i Kôma, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Vokany, lavon’ny balan’ny polisy i Kôma raha tafaporitsaka kosa ireo namany.

Jiolahy miisa sivy tratran’ny polisin’ny BC, sakelika fahefatra, ny faran’ny herinandro teo ary isan’ireo lohan’ireto fikambanan-jiolahy ireto i Kôma, jiolahy nifampitifitra tamin’ny polisy teny Mausolée. Raha ny fanazavan’ny polisin’ny BC, fantatra fa anisan’ny tompon’antoka tamina vaky trano, fanafihana mitam-piadiana, asa fanendahana izay matetika miafara amin’ny vonoan’olona hatrany, toy ny nitranga ny volana septambra lasa teo, ireto sivy lahy ireto. Novelesin’ireto jiolahy ireto tamin’ny “bois rond” ny raim-pianakaviana iray sy ny vadiny mpivarotra anana mipetraka eny Tsiadana ka namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana raha tapaka kosa ny tanan’ilay renim-pianakaviana. Sivy lahy ireto jiolahy tratran’ny polisy ireto ary mbola nahatrarana rongony amina gony maromaro efa voafantina sy voafono, milanja 13 kg, tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy.

Nitohy hatrany ny fanadihadian’ny polisy taorian’izay ka fantatra fa mbola miriaria any ny naman’ireto jiolahy tratra ireto ka anisan’izany ny raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Kôma. Naharay angom-baovao ny polisin’ny BC4 ka fantatra fa mihaodihaody eny amin’ny faritr’i Mausolée sy Ankatso i Kôma sy ny namany roa.

Nanafika ny tranombarotra Super-Maki Antsahameva…

Nametraka ny vela-pandrika ny polisin’ny BC4 ka niroso tamin’ny fisamborana ireto jiolahy ireto. Nitifitra avy hatrany anefa ry zalahy raha vao nahatazana ireo polisy ka raikitra teo ny fifanjevoana. Nifamaliana ny tifitra teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy. Vokany, lavon’ny balan’ny polisy i Kôma raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa lahy niaraka taminy. Tratra teny aminy ny basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala ary ny antsy lavalela iray fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.

Angom-baovao sy fanadihadiana no nahafantaran’ny polisy fa naman’i Tsôla i Kôma izay efa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy amin’izao fotoana izao rehefa voasambotry ny polisin’ny BC4 ihany. Nohamafisin’ny polisy fa jiolahy raindahiny koa ity Tsôla naman’i Kôma ity ary isan’ny mampalaza azy ireo ny fanafihana mitam-piadiana. Iny faritr’i Tsiadana, i Mausolée sy ny manodidina iny no tena nahalalana an’i Kôma, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Anisan’ny tompon’antoka amin’ny fanendahana ireo mpianatra miditra vao maraina eny  Ankatso izy. Hatramin’ny vonoan’olona miseho amin’iny faritra iny, voatonona hatrany ny anaran’i Kôma sy ny namany antsoina hoe Belônne (efa tratran’ny CSP2 Ambohijatovo ary efa any Tsiafahy). Isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ny tranombarotra Super-Maki Antsahameva koa i Kôma, araka ny tatitra hatrany nampitain’ny polisin’ny BC.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.