Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bagasy an-tsehatra 2019: nifoha ny taloha… Tafita ny hafatra

Bagasy an-tsehatra 2019: nifoha ny taloha… Tafita ny hafatra

Tarika Ravelo Jean Baptiste, ny Ako kanton’ny ela ary ny Tambatra Bagasy. Samy niara-nanome hasina ny hira bagasy, tao amin’ny IKM Antsahavola, omaly tolakandro. Bagasy, raha teo amin’ny fotoana niforonany, efa taona maro lasa ihany. Eo amin’ny tononkira indray, mifono hafatra sy anatra. Raha ireo no iaingana, nahavita dingana roa lehibe ireto tarika telo ireto satria sady namoha ny taloha tsy ho very na ho takon’ny vanim-potoana no nahatafita hafatra ho an’ny sokajin-taona rehetra.

Voaporofo, omaly, ihany koa fa azo atao tsara ny mampifanaraka ny zavamaneno vahiny amin’ny toe-po amam-panahy ananan’ny Malagasy rehefa mitendry zavamaneno na mihira. Teraka avy amin’ny fandrindrana ireo rahateo ny bagasy.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.