Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsan-tononkalo sy boky « Mahatsangy »: « Nahafa-po kokoa anay ny endri-tsoratra »

Antsan-tononkalo sy boky « Mahatsangy »: « Nahafa-po kokoa anay ny endri-tsoratra »

Nosantarina tamin’ny antsan-tononkalo « Mahatsangy » ny taom-piantsana 2019 – 2020 ho an’ny Faribolana Sandratra. Fiantsana tononkalo sy tononkira ary riankalo notontosain-dRanöe sy i Toly ary i Zo-Maminirina, niaraka tamina mpiantsa hafa. Famoahana rahateo ny boky « Mahatsangy », 60 pejy mirakitra ny sanganasan’izy telo mirahalahy ireo. « Raha oharina amin’ireo endriny teo aloha, nahafa-po anay kokoa ny endri-tsoratra ao anatin’ny Mahatsangy… », hoy i Zo-Maminirina.

… Mahatsangy, milaza fahafahana mandimby, mahasolo, mahaleo tena, sns. « Tsy resy tondro maso Ranöe satria nanana anay mirahalahy izay marihiko fa mpianany ary efa mahatsangy », hoy hatrany i Zo-Maminirina. Mahatsangy ihany koa satria notazonina hatrany ilay fanondrotana tanora manan-talenta mba ho eo amin’ny toeran’ny mahatsangy. Tamin’ity antsa ity, i Maharo, tovovavikely havanana eo amin’ny hira, no nampiakarin’i Toly ny sehatra. Izy no nihira ireo hira noforonin’i Toly ka nasian’i Rija Ramanantoanina sy i Tovo Andrianandraina feony.

Nomarihin’i Zo-Maminirina fa ho an’ny Faribolana Sandratra, hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.