Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy milamina…  

Tsy milamina…   

 

Tsy milamina ny tany… sy ny tanàna. Nirarak’ompana ny faty olona tany atsimo tany noho ny asan-dahalo. Tsy vitan’izany fa norobaina sy nodorana ny tanàna… Tena habibiana tsy roa aman-tany izany… Ekena ary tena deraina ny ezaky ny mpitandro filaminana, indrindra fa ny zandary amin’ny fampandriana fahalemana manerana ny Nosy. Tahaka izany koa ny fanjakana amin’ny fametrahana ireny karazana toby samihafa mitondra ny anarana maromaro ireny. Vondron-tafika, vondron-kery… Eo koa ny fanasaziana ireo mihoa-pefy ary tsy anavahana fa rehefa vandana dia kary… Ny tranga tahaka io niseho io kosa anefa tena efa tafahoatra.  Tsy hita intsony izy ity. Hiteraka resabe indray ny raharaha Amboasary Atsimo io. Na inona na inona anefa, asan-dahalo tsotra izao sy vonoan’olona ny nitranga. Tahaka ny niseho tetsy Behenjy, tamin’ity herinandro ity… Mahazo laka sy vahana indray izany ny asan-dahalo sy jiolahy…. Indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra. Inona ny tena olana manoloana izany rehetra izany ? Ahoana ny amin’ireo fepetra samihafa noraisina ? Ny lamina sy ny paikady rehetra ? Efa nandeha avokoa ny fivoriana sy atrikasa ary fiofanana samihafa. Teo koa ny fampitaovana na tsy tena mbola ampy sy maharaka na hahenika ny Nosy manontolo aza. Na izany aza, efa misy raitra sy avo lenta ny sasany amin’ireny fitaovana ireny…

Tsy resaka fandriampahalemana ihany anefa ny fiainam-pirenena. Io ny resaka solika. Nandeha aloha izany ny fifampidinihana… Nisy ny fehinkevitra. Ahoana ny olan’ny rano ? Ny delestazy, nambara fa efa tsy misy intsony. Ny raharaha Ambohitrimanjaka sy Ankadimanga ary Fiombonana… Ho tonga hatraiza ny fifampiraharahana ? Ampahany ihany ireo… Iandrasana ny filoha avokoa izany rehetra izany vao hilamina ? Tahaka ny nidinany ifotony teny amin’ny seranan’Ivato manoloana ny fitarainan’ny olona… Tena tsy milamina !

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.