Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nisy ny fanadihadiana nataon’ny tetikasa Sahala tamin’ireo lehiben’ny  gazety sy haino aman-jery ary mpanao gazety samihafa mahakasika ny miralenta eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa Sahala, i Sitraka Nantenaina tamin’izany fa tsy voahaja ny miralenta eo amin’izany tontolo izany. Nanaovana ny fanadihadiana ny faritra Analamanga sy Menabe izay voasokajy ho faritra mbola be herisetra.

Nivoaka tamin’ny fanadihadiana fa tsy mitovy ny fitondrana ny lahy sy ny vavy ao anatin’ity sehatra fanaovan-gazety ity. Misy koa ireo vehivavy miantsehatra amin’ity asa ity no tratran’ny herisetra na ara-tsaina na mety ho ara-batana, fandrahonana sy tsindrihazolena, indrindra mandritra ny fitrandrahana vaovao mafimafy.

 

Les commentaires sont fermées.