Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tomady sy manan-kilema: hatambatry ny « Miaraka » ny rehetra

Tomady sy manan-kilema: hatambatry ny « Miaraka » ny rehetra

Andiany voalohany ny Festival Inclusif pluridisciplinaire « Miaraka ». Anisan’ny tanjona tratrarina ao anatin’ity hetsika ity ny hampihaona sy ny hampitambatra ny olona salama amina olona manan-kilema ka amin’ny alalan’ny zavakanto sy ny kolontsaina no hanatanterahana izany. Nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny asabotsy 19 oktobra izao ny fandaharam-potoana nomanina ho amin’izany, hotontosaina ao amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy ny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy. Ho an’ity andiany voalohany ity, kendrena handray anjara ao anatiny ny olona manan-kilema 20 eo ho eo. Mpanakanto avy eto an-toerana sy avy any Alemaina ary avy atsy Nosy La Réunion no anisan’ny handray anjara.

Fandaharam-potoana, anio manomboka amin’ny 10 ora, etsy amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny fampianarana ny « langage des signes ». Hanomboka amin’ny 11 ora sy sasany kosa ny seho hiarahana amin’ny kaompania Asara sy i Judith Manantenasoa ary i Meja Rakotosaona. Marihina fa mikarakara ny Festival Inclusif pluridisciplinaire « Miaraka » ny Kaompania Lovatiana.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.