Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana tetsy Analakely : tapa- tongotra ireo karana mpivady nofaohin’ny 4×4

Lozam-pifamoivoizana tetsy Analakely : tapa- tongotra ireo karana mpivady nofaohin’ny 4×4

Tapa-tongotra sady nioritra tanteraka ary ratra mafy ny nahazo ireo karana mpivady nandeha moto. Voafoakan’ny fiara tsy mataho-dalana tetsy Analakely, omaly izy ireo.

Mafy ny fifandonana ! Mafy koa ny voina nahazo ireo mpivady teratany karana roa nandeha moto raha hihazo ny lalana mankeny amin’ny Glacier, omaly antoandro tamin’ny 1 ora sy sasany. Araka ny fantatra, fiara tsy mataho-dalana iray nikasa ny hihazo ny Firaisana voalohany ny nandona ireo mpivady ireo tamin’io fotoana io ka nahavanon-doza. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, nahery ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka naratra ireo karana mpandeha moto. Vokany, tapaka tanteraka ka niolana ny tongotra havanan’ilay ramatoa vadiny. Voa  koa manodidina ny latsitongony havia. Ilay rangaha vadiny kosa, voadona mafy tandrify teo amin’ny lohany. « Malagasy iray ny nitondra ny fiara fa tsy Sinoa velively, araka ny vaovao miely. Ary tsy nitsoaka ilay mpamily fa niatrika ny zava-drehetra niseho », hoy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana, raha nanazava ny zava-nisy teny an-toerana.

Tsy nanao aroloha ireo mpivady… 

Nohamafisiny tamin’izany fa tsy nahiboka ilay fiara tsy mataho-dalana taorian’ny loza saingy  tsy navela hihetsika. Tonga teny Analakely nanao ny fanadihadiana ny sampana mpamonjy  voina ary nitondra ireo mpivady ireo teny amin’ny hery vonjy taitra ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona etsy Amefiloha. Samy nahatsiaro tena ireo mpivady teratany karana ireo na teo aza ny voina nahazo azy ireo. Nisoritra teny amin’ny tarehin’izy mivady kosa anefa ny fahatairana sy ny tahotra vokatry ny zava-nahazo azy ireo.

Araka ny fanadihadiana, tsy nanao ireny aroloha ireny ireo mpivady ireo ka niteraka ny fahavoazana mafy ho an’ilay lehilahy. Kiaka sy taraina mafy no re teo amin’izy ireo teny Analakely tamin’io fotoana io, ka nahavory ny mpandalo teny an-dalana. Tonga hatramin’ny fitohanan’ny fiara. Nambaran’ny loharanom-baovao ny polisim-pirenena  fa efa misokatra ankehitriny ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Atao famotorana ihany koa ilay mpamily teratany malagasy nahavanon-doza.

 

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.