Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalana RN 44: ho vita godirao amin’ny avrily 2021

Lalana RN 44: ho vita godirao amin’ny avrily 2021

Ankoatra ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-44, maro koa ny fotodrafitrasa mipaka mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, hamboarina any Ambatondrazaka. Anisan’izany ny fanajariana ny lemaka, ny famatsian-drano fisotro sy herinaratra, ny fanamboaran-dalana, sns.

Anjatony ny asa ateraky ny fanamboarana fotodrafitrasa maro any Ambatondrazaka. Nametraka vato fototra hafa fanindroany koa ny filoha Rajoelina, any Morarano Gara, amin’ny fanamboarana godirao ny lalam-pirenena faha-44, mirefy 159 km, omaly. Haharitra 18 volana ny asa, izany hoe, vinavinaina ho vita amin’ny avrily 2021 ka avy amin’ny fanjakana malagasy madiodio ny famatsiam-bola ho an’ny andiany voalohany. Manomboka any Morarano Gara ny asa, anisan’ny tena ratsy, hatreo Vohidiala.

Manao ny asa fanaovana godirao ny lalana 5 km avy eo an-tampon-tanàn’Ambatondrazaka hatreny amin’ny seranam-piaramanidina Feramanga kosa ny orinasa malagasy Iso construction. Misahana ny fanarenana ny lalana 25 km any Manaingazipo ny Colas. Voafehy koa ny rano amin’ny fanamboarana ny tohodranon’i Bevava, manajary lemaka 3 600 ha, ka efa vita hatrany amin’ny 90% ny asa.

Hafindra haingana ny toby Jirama

Ho an’ny famatsian-drano fisotro, hisy lavadrano mamoaka hadiry 20 m3/ora, ho an’ny olona maherin’ny 12 000. Miisa efatra ny gropy mamokatra herinaratra, 700 kwa tsirairay. Nanome toromarika anefa ny filoham-pirenena fa mila afindra haingana, any ivelan’ny tanànan’Ambatondrazaka, ny tobin’ny Jirama. Nambarany koa fa havaozina ny fifanarahan’ny Jirama amin’ny tsy miankina ary hampiasaina ny herinaratra avy amin’ny solika sy ny masoandro (hybride).

Nilaza ny governoran’Alaotra Mangoro, Ramandehamanana Richard, nandritra ny fifamindram-pahefana, ny 11 oktobra teo, fa “tsy ho toy ny taloha intsony ny fanao fa ho isan-toerana ny hanaovana ny asa fampandrosoana, toy ny any Maroadabo, ny any Manakambahiny Atsinanana, ny any Fierenana, ny any Longozabe, sns”.

Rarivo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.