Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nahatsiaro ny 14 oktobra ny PSD. “Tsy azo hadinoina ny datin’ny 14 oktobra satria manan-danja. Fahafahana tamin’ny fangejàna izy io sady fototra niorenan’ny Repoblikantsika », hoy ny sekretera nasionalin’ny PSD, i Bezaza Eliana. Nanteriny fa natsangana ho foto-kevitra iorenan’ny politikan’ny antoko PSD izany. Miady ho an’ny rariny sosialy hahitana fiarahamonina mirindra sy tombontsoan’ny maro anisa, araka ny nambarany.

Nandalo sivana ny kandidàn’ny Tim. Natao ny asabotsy teo tao Ambohipeno ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny Tim ho an’ny kaominina Ambohimanambola. “Nataon’ny filoha Ravalomanana ny fanendrena ary nandalo sivana izany. Mifototra amin’ny fampandrosoana ifotony ary mifandraika amin’ny fomba fijerin’ny antoko ny vinan’izy ireo”, hoy ny depiote Randriambolaina Gerry tamin’izany.

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.