Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Mada U18 G / F»: fandresena roa azon’ny MB2 All Analamanga

Basikety – «Mada U18 G / F»: fandresena roa azon’ny MB2 All Analamanga

Nitohy, omaly tany Toliara, ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Hatreto aloha, anisan’ny mbola misongadina ny ekipa avy amin’ny ligin’Analamanga, ny MB2 All. Omaly, samy nahazo fandresena avokoa ny lehilahy sy vehivavy. Teo amin’ny vehivavy, nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 64 no ho 26, ny Jet No avy any Diana. Tsy niady mihitsy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta fa toy ny nanaovan’ireo tovovavin’ny MB 2 All fanazarantena fotsiny. Nitarika hatrany izy ireo, tao anatin’ireo tapa-potoana efatra nilalaovana.

Ho an’ny tovolahy kosa, nivoaka sempotra ny MB2 All vao tafavoaka mpandresy nanoloana ny MFB-BBCM Menabe. Nisaraka tamin’ny isa tery, 63 no ho 62, ny roa tonta. Nampitsanga-mitoetra sy nampitaintaina hatramin’ny segondra farany ireo mpijery ny fizotran’ny lalao teo amin’ny roa tonta. Nifandimbiasana hatrany mantsy ny nitarika ny isa, saingy fahadisoana kely foana no nahavery ny tovolahin’i Menabe.

Torcelin

Toy izao ireo voka-dalao hafa :

 

Vehivavy :

– Akamasoa Analamanga (46) – (51) Serasera Vakinankaratra
– CosPN 2 Atsinanana (67) – (107) Tamifa Amoron’i Mania
– Ascut Atsinanana (56) – (41) Fandrasa Haute Matsiatra (56-41)
-MB2All Analamanga (64) – (26) Jet No Diana
Lehilahy :

-MB2All Analamanga (63) – (62) MFB-BBCM Menabe
-FBCA Amoron’i Mania (42) – (52) Texas Rangers Analanjirofo
-ATS Amoron’i Mania (37) – (86) BCO Boeny
-FFPRO BCTM Vakinankaratra (54) – (67) Ascut Atsinanana (54-67)
-DCA Diana (67) – (41) ASBM V7V

 

 

Les commentaires sont fermées.