Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PEM : ho fantatra afaka tapa-bolana ny fiaraha-miasa

PEM : ho fantatra afaka tapa-bolana ny fiaraha-miasa

Novelabelarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpikambana ao anatin’ny governemanta, ny alakamisy 10 oktobra teo, amin’ireo mpiara-miombon’antoka vola sy teknika (PTF), ny Drafitra fisandratana Madagasikara (PEM). Fanazavana savaranonando ity natao ity, mikasika ny vinan’ny filoha Rajoelina voarakitry ny velirano miisa 13 nampidirina ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).

Nilaza ny praiminisitra fa nankasitrahin’ireo PTF ny fomba namolavolan’ny governemanta ny PEM, ary andrasana ny fampiharana azy sy ny vokatra nofaritana. Ho fantatra afaka tapa-bolana ny soso-kevitry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra ahafahan’izy ireo miara-miasa amin’ny fanjakana.

Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity avokoa ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, sns.

Notsipihin’ny praiministra koa fa eo am-pamolavolana ny Tetibola 2020 ka hampidirina ao anatin’izany ny fanatanterahana ny PEM.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.