Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Chan 2020»: 20 ny mpilalao hanafika atsy Namibia

Kitra – «Chan 2020»: 20 ny mpilalao hanafika atsy Namibia

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny lalao miverina, hikatrohana amin’ny Brave Warriors-n’i Namibia, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Chan 2020». Tsy anisan’ireo ho any Namibia i Santatra sy i Leda.

Namoaka ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2020”, hihaonana amin’ny Brave Warriors-n’i Namibia i Rivo Francklin, mpanazatra ny Barea de Madagascar. 20 mirahalahy ireo nantsoina hiatrika izany lalao miverina izany, hatao any Windhoek, ny asabotsy 19 oktobra ho avy izao.

Voatsipaka tao anaty lisitra i Leda sy i Santatra. Araka izany, mpiandry tsatoby roa ihany no nentina, amin’ity, i Ando sy i Nina. Efa nampoizin’ny rehetra ihany ilay fanapahan-kevitra satria nahazoana kiana betsaka tamin’ny rehetra ny endri-dalao nasehon’i Leda, tamin’ny lalao miverina tany Mozambika. Tsy fantatra kosa ny nanajanonana an’i Santatra.

Tsiahivina fa efa nanantombo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Barea, teo amin’ny lalao mandroso. Raha tsy misy ny fiovana, ny alakamisy ho avy izao no hanainga ny delegasiona malagasy.

Tompondaka

Ny lisitr’ireo mpilalao 20 ny Barea de Madagascar :

 

-Mpiandry tsatoby : Nina (AS Adema) ; Ando (Cnaps Sport)

-Vodilaharana havia : Tsilavina (Elgeco Plus) ; Ronald (Cnaps Sport)

-Vodilaharana havanana : Toby (Cnaps Sport) ; Tojo (Ajesaia)

-Vodilaharana afovoany : Jean Martin (AS Adema) ; Rajo (Zanakala) ; Rojo (Ajesaia) ; Andry Max (Fosa Jr)

-Irakikaraka mpiaro : Ando (Cnaps Sport) ; Richard Marcel (Jet Mada) ; Lôlôdy (Fosa Jr) ; Baggio (Fosa Jr)

-Irakiraka mpanafika : Safify (Elgeco Plus) ; Tsito (Jet Mada) ; Jean-Yves (Fosa Jr)

-Lohalaharana : Besna (Fosa Jr) ; Arnaud (Cnaps Sport) ; Elio (Zanakala)

 

Les commentaires sont fermées.