Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fananan-tany: vahaolana ho an’ny boky rovitra

Fananan-tany: vahaolana ho an’ny boky rovitra

Eo am-pamolavolana amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna mikasika ny bokin’ny fananan-tany rovitra sy very. Miaraka miisalahy amin’izany ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany, ny trano fonenana ary ny asa vaventy (MAHTP) sy ny minisiteran’ny Fitsarana. Maika ny fanatanterahana azy ka haroson’ny governemanta holanin’ny Antenimiera roa tonta izany.

Anisan’ny voakasik’ity volavolan-dalàna ity ny momba ny hanoratana ny tany raha sendra manana dika mitovy amin’ny titra na ny kadasitra ny tompony.

Etsy ankilany, efa mandeha koa ny fanoratana ny tany efa nohajarin’ny olon-tsotra an-taony maro. Misy koa anefa amin’ireny tany ireny lasa misoratra amin’ny olon-kafa ka mahatonga ny fitarainana etsy sy eroa. Matetika, tany nohajarin’ny mponina, nefa misy olon-tokana na olom-bitsy, milaza na manana taratasy ara-dalàna.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.