Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 

Nifandona teny amin’ny bretelle Ankadimbahoaka ny fiara efatra, ny zoma teo manodidina ny tamin’ny 8 ora alina. Araka ny loharanom-baovao, nifandona tamina fiara lehibe iray ny kamiaokely iray raha nivoaka ny sampanan’Androndra, lalan’ny Filatex, tamin’ny lalam-pirenena fahafito hihazo an’Ankadimbahoaka. Araka ny fantatra, nivoaka ny bretelle tampoka ity kamio kely ity ka tsy tafajanonaa ara-potoana. Ny fiara lehibe kosa, hiditra ny Renivohitra, nahazo ny lala-mahisy ary takon’ny tamboho ity farany ka tsy nahatsikaritra ny fivoahan’ilay kamiaokely ary nifandona mafy ny roa tonta, voatosika teny ampitan’ny arabe ilay fiarabe. Voadonany tamin’izany ny fiara karetsaka roa nijanona teo amoron-dalana ary latsaka teo akaikin’ny lavaka sady mbola voatsindry ihany koa. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy.

Les commentaires sont fermées.